Angleterre : Mpitsabo mpanampy iray no voampanga namono zaza fito
Efa 9 volana mahery ny faharetan’ny fitsarana an’i Lucy Letby, mpitsabo mpanampy 33 taona. Niasa tao amin’ny sampana vonjitaitra ny zaza vao teraka tao amin’ny hopitaly Countess of Chester ao avaratra-andrefan’i Angleterre ny tenany ary voampanga namono zaza tsy tonga volana 7 sy nikasa namono zaza 10 hafa tao amin’ny hopitaly.
Teo anelanelan’ny volana jona 2015 sy ny volana jona 2016 no niseho ireo tranga ireo raha ny fanazavana. Voarohirohy nanindrona rivotra tao anatin’ny « sondes » ; nandrotsaka « insuline » tao amin’ny sakafo « intraveineuse » ny zaza ary nanatsoaka ny « tube respiratoire » tamin’ny zaza tsy tonga volana io vehivavy io.
Nahitana taratasy kosa tao an-tranon’i Lucy Letby izay nilaza hoe « olon-dratsy aho, niniako novonoina izy ireo fa tsy vitako ny nikarakara azy… ». Marihana nefa fa nandà ny fiampangana azy izy nandritra ny fitsarana azy izay mbola mitohy ary raisin’ny mpampanoa lalàna Nick Johnson an-tanana.
