ActualitésTsidika

Ambohimanangakely : Manome endrika ny kaominina ny « Ilot central »

Nanome endrika fanatsarana ny kaominina Ambohimangakely ny “Ilot central”. Raha tsiahivina, ny taona 2021 izy io no natolotry ny ministera misahana ny serasera sy ny kolontsaina ny kaominina Ambohimangakely. Niara-niasa tamin’ny fametrahana azy teo ihany koa ny groupe Filatex, tamin’ny alalan’ny tale RSE.

« Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana izay ataon’ny orinasa iray ny fametrahana foto-drafitr’asa na asa manamarika ho an’ny vahoaka, ho an’ny fampadrosoana. Misy ihany anefa, ireo tsy miandry izany, fa mahatsiaro ho tomponandraikitra ka mametraka fahatsiarovana na manao izany ho adidy ho tombotsoan’ny vahoaka » hoy i Tefy, tomponandraikitra amin’ny toeram-piasana.

« Raha ny firoborobo sy ny hamaron’ireo orin’asa misy aty Avaradrano no jerena, tokony ho maro ihany koa ny fanavaozana na fandraisana an-tanana ny fampandrosona tokony ho hitan’ny vahoaka. Saingy mbola maro no tsy mahazo na tsy mahalala izany RSE izany » hoy i Njaka, mpivarotra ao amin’ny quincaillerie iray.

Manana anjara lehibe amin’ny fametrahana asa na foto-drafitr’asa ho an’ny vahoaka ny orinasa isan-tsokajiny ao anatin’ny kaominina tsirairay. Ary andraikitra tokony ataon’izy ireny izany ho sitrahan’ny mponina. Tsy voatery hiandry ireo orinasa isan-karazany anefa vao afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana fa azon’ny rehetra atao ny mitondra anjara biriky ho amin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire