ActualitésTsidika

Harinkarena faobe : Tombanana hiakatra izany ny taona 2023

Vinavinaina hiakatra 4,2% noho ny teo-draharaha nasionaly sy maneran-tany ny harinkarena faobe eto Madagasikara amin’ity taona 2022 ity. 4,9% kosa ny tahan’ny vinavinan’ny fiakaran’ny harinkarena faobe ny taona 2023  araka ny voalaza ao amin’ny volavolan-dalàna laharana faha 017/2022 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2023. Ireo fampiasam-bola hifarana na hanomboka ny taona 2023 no antenaina hahatratra ny vina izay napetraka.

« Ahena araka izay vita ny fanafarana entana mba hahafahana mampiasa sy manodina ireo vokatra maro eto an-tanindrazana. Ireo tetik’asa fanajariana sy fanondrahana ireo faritra fambolena dia tokony hampiakatra ny tahan’ny famokarana ara-pambolena, toy ny vary, izay vinavinaina hiakatra 9% ny famokarana azy. Izany no ezaka hatao mba hampiakrana ny tahan’ny harinkarena faobe eto an-toerana », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fitantanam-bola.

« Amin’ny alalan’ny fampiasam-bola manodidina ny 25,3% an’ny harinkarena faobe ; 12,2% avy amin’ny fanjakana foibe ; ary 13,1 avy amin’ny sehatra tsy miankina no hahatararana izany tanjona izany. Hamafisina ny fandoavana hetra ary ireo fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka dia hampitombona ihany koa hahafahana manatratra izany tanjona ziany avokoa », hoy hatrany ny fanazavana.

« Samy afaka mampiakatra io harinkarena faobe io avokoa raha jerena mitovy tsy mitanila ny sehatra rehetra ka homena lalana mitovy araka ny tokony ho izy. Ny fambolena izao no tena azo antoka hampitombona sy velarina mba tsy hanafarana entana intsony », hoy i Diary, mpandinika mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana.

Handray anjara amin’ny fampiakarana ny harinkarena avokoa ny sehatra rehetra. Tsy ambakan’izany ny mahakasika ny harena ankibon’ny tany. Afaka mandray anjara amin’ny fampitomboana izany avokoa ny olona rehetra amin’ny alalan’ny asany mba ho tombontsoan’ny rehetra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire