Tsaratanàna : Volaza ho manao kolikoly ny lehiben’ny distrika
Velon-taraina ny mponina any Tsaratanàna, ao amin’ny faritr’i Betsiboka, noho ny fanamparam-pahefana voalaza fa ataon’ny lehiben’ny distrika. Fiangarana maro no nolazaina fa ataon’ity farany amin’ireo namany sy akaiky azy, hany ka zary lasa ny olona tsy manan-tsiny indray no voahenjika aza indraindray.
« Naman’ny tsy misy fanjakana aty, satria na ny didim-pitsarana mivoaka aza dia tsy voahaja, ary isan’ny manome vahana amin’izany ny lehiben’ny distrika, momba ny fifanolanana amin’ny fananan-tany aloha dia didim-pitsarana no namaritra ny fitompoa-manana an’ny olona iray, rehefa fotoanan’ny main-tany dia tsy misy vary maniry ny tanim-bary dia ataon’ny fokonolona lala-masaka rehefa fotoam-pambolena, anefa dia araraotin’ny mpifanila vodirindrina izany ka itarin’izy ireny any amin’ny tanin’olona ny faritra voleny. Efa nisy ny didy navoakan’ny fitsarana ka na nentina nidina teny aza ny lehiben’ny distrika dia mody tsy nahalala izy ka nanome rariny an’ilay maka ny ampahan-tanin’ny hafa mifanolobodirindrina, ary nilaza hoe « aoka tsy hisy hikitika an’io faritra io fa handefa ny raharaha eny amin’ny fitsarana izahay », taiza no nisy raharaha iray ka notsaraina indroa ? Mitongilana amin’ilay maka ny ampahan-tanin’ny hafa ho azy ny lehiben’ny distrika satria zandary teo aloha ilay maka ny tsy anjarany » hoy ny fitantaran’ny Felix anisan’ny lasibatra ao an-toerana.
Isan’ireo tany mamokatra volamena i Tsaratanàna, ary hanajakan’ireo mpanam-bola izy arak’izany, hoy i Saholy mpitantana fikambanana iray ao an-toerana, « hany ka mijaly ny olona manana tany izay fantatra fa misy volamena ao ankibon’ilay tany, irohotan’ny olona ilay tany mba hiadiany volamena, dia mijery fotsiny ny manam-pahefana ara-panjakana, ilay tompon-tany, tsy afaka manao na inona na inona, ny mpibodo tany koa dia mahazo aina satria voatototra vola sy volamena ny manam-pahefana eo amin’ny distrika dia manome rariny ireny mpibodo tany ireny, manantena ny mponina aty an-toerana fa hampanao fanadihadiana sy handray fepetra momba izao tranga izao ny fitondram-panjakana foibe fa voaroba, nefa ny olom-panjakana dia manome vahana ny mpandroba any ».
« Ny fanamparam-pahefana ataon’ireo manam-pahefana mihitsy no efa miha-maro. Tsy io ihany fa misy koa aza ny olona tsy mitaraina fa mafy noho izany no iainany. Ary tsy ny any amin’ny kaominina sy ny distrika ihany fa miainga hatrany amin’ireny biraom-pokotany ireny aza dia efa misy fanamparam-pahefana, ny fitondrana any ambony mihitsy no mila mandeha an-tsehatra ka mijery ny zava-misy, ary tokony homena lalàna mafimafy mihitsy aza ireny mba tsy hanaovany toy izany intsony » hoy i Ferdinand, mpahay lalàna.
Raha jerena indray mitopy maso ny raharaham-pirenena sy ny tranga maro misy eto madagasikara dia mifanaritaka tanteraka : lozam-pifamoivoizana sy asan-dahalo, doro tanety sy ady maro isan-karazany, fitarainana maro avy amin’ny sehatra isan-karazany, ary isan’izany ny fanaparam-pahefana ataon’ny olona ambony. Mety misy ve ny lesoka, na tsy ampy fiasan’ny mpitondra, sa ny vahoaka mhitsy no tsy mahay mankasitraka sy velon-taraina lava ? Mety misy koa ireo tia hisompatra lava mba handotoana rano.
Lovasoa Tojonirina
