Olona manodidina ny 2 000 no voasambotry ny mpitandro filaminana noho ny tsy fanajana ny fepetra ara-pahasalamana
Miisa 2 000 farafahakeliny ireo olona tsy nanara-dalàna nandritra ny onjan’ny valanaretina covid-19 ka nosamborin’ny mpitandro filaminana. Polisy efa ho arivo mahery no nampiasaina nandritran’io vanim-potoana io ka nahafahana nanome ireo salanisa tetsy ambony. Vokany, efa miezaka manaja ny fepetra ara-pahasalamana daholo ny tsirairay ankehitriny.
« Raha tsy nandraisan’ny mpitandro filaminana fepetra aloha ny vahoaka Malagasy tamin’ireny firongatry ny valanaretina covid-19 ireny, mbola tsy nilamindamina ohaytran’izao isika e ! » hoy i Hanta, renim-pianakaviana. « Tokony tsy nila ny fandraisan’andraikitry ny Polisy akory anie fa ny tsirairay fotsiny no tokony samy ahatsapa tena e ! » hoy kosa i Mathieu. Nilaza koa anefa ny Ministeran’ny fahasalamana fa « mbola manamafy hatrany ny hetsika hiadina amin’ny valanaretina Covid-19 », marik’izany ireo karazam-baksiny tonga eto amintsika. Arak’izany, hoy i Amor Abbassi, manam-pahaizana mandalina ny fahasalamana hoe : « ny fahasalamana no harena tsara indrindra afaka tovozintsika ».
Tokony ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika noho izany ny fahasalamana, indrindra ho an’ny Malagasy manokana. Kanefa toa tsy ataon’ny sasany vaindohan-draharaha intsony izany ankehitriny fa ny lafiny fitadiavana no masaka ao an-tsain’izy ireo. Manoloana izany, mety handroso ve ny fiainantsika ary hahavita hihary isika raha toa ka ao anatin’ny tsy fahasalamana ?
Miangaly Rasoamihajmanana
