Ankadinandriana: Mila fanaraha-maso ny fomba fiasan’ireo fiara mpitatitra
Mampitaraina ireo mpandeha sy mpampiasa ny zotra mampitohy ny kaominina Ankadinandriana sy Ankadindratombo ny fomba fiasan’ireo fiara mpitatitra (taxibrousse) ao an-toerana. Mihoa-pefy ary tsy manaja ny mpandeha ireo mpitatitra ao an-toerana, raha ny voalaza.
« Anisan’ny zavatra angatahana amin’ny tomponandraikitra dia ny mba hanisy lamina sy fanaraha-maso ireo fiara mpitatitra ireo fa tena tsy mety ary tsy mendrika ny ataon’ny fiara sasany. Na inona na inona entana entin’ny mpandeha dia atambatra amin’ny olona mpandeha avokoa, ary tena tsy mety amin’ny fahasalaman’ny olona sasany izany » hoy i Tiana, mpandeha amin’ny zotra.
« Amin’ny maha zotra mandeha amin’ny kaominina ambanivohitra aloha dia lasa mahazatra ny mahita olona miaraka mifangaro amin’ny entam-be sy ny otran’izany ao anaty fiara. Azo atao kosa anefa ny mametraka ny enatana entina amin’ny toerana sahazy azy, ohatra ambony fametrahana entana fa tsy hampiarahana amin’ny mpandeha ao anatiny » hoy i Tojo, mponina ao Ankadinandriana.
Ny fametrahana ny lamina sy fanaraha-maso avy amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny araka izany no andrasan’ny mpandeha manoloana izao zava-misy izao. Ilaina ihany koa izany mba hisian’ny fifanajana eo amin’ny mpandeha sy ny mpitatitra.
Manitra R.
