Tovovavy 24 taona nalentiky ny ranomasina tany Mahajanga
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehiben’ny mpianatra isika eto Madagasika amin’izao. Maro ireo misafidy ny andeha hiala sasatra any amorontsiraka, Mahajanga hetreto no tena fantatra fa betsaka mpnadeha noho izy mafana manadavan-taona sy hakanton’ny tanana.
Anisan’ireo mahafaly ny mpandeha miala sasatra any amin’ny faritany ny filalaovana sy ny filomanosana eny an-dranomasina. Tokony ho mailo ihany anefa ireo mpandeha satria misy ireo ranomasina eto amin-tsika no masiaka no sady mahery ny onjany. Tovovavy vao heritreriny 24 taona no nalentiky ny ranomasina tao Mahajanga ny faran’ny herinandro teo. « Mpiala sasatra avy any an-drenivohitra izy io ary nanao vakansy tao amin’ny Antsanitia Mahajanga »raha ny fitantaran’i Etienne anisan’ireo nanampy tamin’ny fitadiavana ny vata-mangatsika. Raha ny filazany hatrany dia « maro ny fady sy fomba tokony hajaina rehefa andeha hilalao ranomasina ireo mpivahiny, tafiditra ao anaty kolontsaina sy ny maha izy azy ny faritra iray izany. Anisan’izany ohatra ny tsy azo ihinanan-kisoa ». Tsy voa voalohany tokoa no nahenoina olona maty an-drano tahaka izao tany Mahajanga fa efa maro ireo olona nalentiky ny ranomasina tany.
« Ny mahery tsy maody tsy ela velona » tokoa hoy ny Ntaolo koa mila fahamalinana hatrany ireo mpamdeha miala sasatra arak’izany fa tsy sodokan’ny onja sy ny hafanana ka tsy hitandrina. Tokony hanadihady mialoha ny mety ho fady sy ny fomban-tany misy ao an-toerana ihany koa mba hisorohana ny mety ho loza.
Fanja Rakotoarisoa
