SocialTsidika

Jirama : Tapatapaka matetika ny herinaratra ny faran’ny herinandro

Nisesy ny fahatapahan’ny herinaratra tamin’ny tanàna manodidina an’Antananarivo ny faran’ny herinandro teo. Tsy nahazoana fampandrenesana sy fanazavana akory avy amin’ny Jirama anefa izany. « Efa zatra ny fahatapahan’ny jiro izahay, ary tsy mahagaga ny faharatsian’ny tolotra omen’ny Jirama » hoy i Simone, renim-pianakaviana iray mipetraka eny Ankazomanga.

Miteraka olana sy fahasimban’ny entana mandeha amin’ny herinaratra anefa ny fahatapatapahan’ny herinaratra matetika. Ny alahady 15 Aogositra 2021 moa dia nahitana izany fahatapahan’ny jiro izany ny teny Behoririka, Ambondrona, Andravoahangy, Ambanidia. Na dia efa nihatsara aza ny tolotra omen’ny Jirama hoy ny mpanjifa sasany dia tsy mbola mahafa-po tanteraka izany. Raha tsiahivina, efa nanao tetikasa hanatsarana ny foto-frafitr’asa hamokarana sy hizarana herinaratra ity orinasam-panjakana ity. Fanampin’izay, misy ihany koa ny fampidirana mpiasa teknisianina sy injenera vaovao eny anivon’ny Jirama. Ny sabotsy 14 Aogositra 2021 no nanantanteraka ny fifaninana ireo kandida miisa 25 00, tsy hifarana ity fampidirana mpiasa ity raha tsy any amin’ny voalohan’ny volan Septambra.

Manao antso avo amin’ny Jirama hatrany mponina mba hanara-maso tsar any kalitaon’ny tolotra omeny izy ireo na amin’ny famatsiana rano na izany amin’ny famatsiana herinaartra.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire