Fandriampahalemana : Mitaraina ireo mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo amin’ny filaminana.
Mitaraina ireo mpianatra amin’ny tsy fandriam-pahalemana miseho eny anivon’ny Oniversite. Fahita matetika eny an-toerana ny tranga na fanolanana, fanendahana sy famonoana olona ataon’ireo olon-dratsy eny amin’ny lalan’ny Ankatso eny. Efa hatramin’ny ela no nisehoan’izany tranga isan-karazany izany saingy mbola hita ihany hatramin’izao fotoana izao.
« Ilay miditra amin’ny enina ora maraina no mampatahotra. Izahay anefa mpianatra ho mpitsabo ka miditra amin’ny enina foana isan’andro. Mitaintaina vao hiala ao antrano sao misy manendaka na mamono. Ny lalana ihany koa mangina be ka na hiantso vonjy aza mety tsy hisy aheno. Fanampin’izany tsy isan’andro izahay no misy afaka manatitra. Vahaolana aloha amiko ny fampitomboana ny mpitandro filaminana eny an-teorana indrindra ny maraina », hoy i Tsanta, mpianatra eny Ankatso.
« Tsy mifidy fotoana ireo olon-dratsy ireo fa na andro na alina dia ahenoana foana hoe nisy zavatra niseho indray tao amin’ny “sous bois”. Matetika vehivavy foana no tratran’izany ary nisy fotoana efa nisy maty mihitsy. Mila fametrahana vaomiera iray manokana mihitsy izany ary olona azo antoka sao sanatria ireny ihany ilay olon-dratsy », hoy kosa i Nathan, mpanaraka ny sampam-pianarana Fizahantany ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Azon’ny mpinatra atao ihany koa ny mifampiandry mba hialana amin’izany olana izany. Etsy andaniny anefa dia tokony araha-maso ireo olona miditra ny farityry ny oniversite sao amin’ireny ny olon-dratsy. Fanampin’izany ihany koa ny fanampiana ny vaomiera hitandro ny filaminana ary haparitaka amin’ny faritra mena rehetra ireny.
Miora Raharisolo
