ActualitésTatitra

Etats-Unis : Tovolahy iray matin’ny  » Naegleria fowleri « 

Tovolahy iray no maty noho ny aretina tsy fahita firy naterakin’ny « Naegleria fowleri » na « amibe mangeuse de cerveau » tao Nevada, ny fiandohan’ny volana oktobra teo. Ireo manam-pahefana sy haino aman-jery tao an-toerana mihitsy no nisahana ny fanapariahana ny vaovao amin’ny maha tsy fahita firy ny tranga.

Raha ny fantatra dia nilomano tao amin’ny farihin’ny Meadi io tovolahy maty io tany amin’ny faran’ny volana septambra. Herinandro taorian’izany dia nanomboka nisy soritr’aretina izy ary namoy ny ainy 5 andro monja taorian’izany. Marihana fa any anaty ranomamy sy tany mando na dobo filomanosana ratsy dio no misy ny « Naegleria fowleri ».

Miditra amin’ny lavak’orona io « amibe » io, miakatra any amin’ny atidoha ary miteraka aretin’andoha, « hyperthermie », fihenjanan’ny hatoka sy fandohavana. Manoloana izany dia mampafanina, mampalaina, mapaverivery saina ary mampahita « hallucination » io « amibe » io.

Trangam-pahafatesana faharoa nateraky ny « Naegleria fowleri » tao Nevada kosa io niseho ny fiandohan’ny volana io. Sarotra sitranina izy io ary tamin’ireo tranga 154 nisy tao Etats-Unis teo anelanelan’ny taona 1962 sy 2021 dia 4 ihany no sitrana.

Laisser un commentaire