Costa Rica : Ara, vorona miavaka ao an-toerana
Ny « Ara » dia anarana vorona anisan’ny lehibe indrindra ao amin’ny zana-pianakavian’ny « Psittacinae ». Io karazana boloky izy dia miloko marevaka, izay mena na maitso matetika. Misy rambo lava ihany koa izy ary manana vava mafy.
Ao Amérique tropicale no ahitana io vorona io, indrindra ao Costa Rica. Toy ny« Psittacinae » rehetra dia mahay miteny izy. Toy io karazana io ihany koa dia ahatahorana ho lany tamingana any amin’ny fonenana voajanahariny ny « Ara ». Anisany ireo efa foana any amin’izany toerana izany ny « Ara de Spix », any amin’ny toerana voatokana sisa no ahitana azy.
