ActualitésTsidika

Sofia : Fomba efa tsy fahita firy intsony ny « Volamena Bango »

Fomba Malagasy tsy fahita firy intsony ny « Volamena Bango ». Volo na faneva nohaingona tamin’alalan’ireo vola Malagasy izy io. Mandritra ny lanonana « tsakafara » na « tsikiafara » amin’ny fahantanterahan’ny voady nataon’ny mpivady no hanatanterahina azy.

Tao amin’ny Faritra Sofia no tena nahitana ny fomba, nampiasaina ho fandravahana volom-behivavy ny vola mandritry ny tsaboraha fampiakaram-bady izany. Volamena bango no fiantsoan’olona ireo vola arantiranty amin’ny volo ireo any amin’ny faritra, indrindra amin’ny faritra Androna.

Entina angatahana ny tsara sy fahombiazana amin’ny asa atao, indrindra ho fampirtoboroboana ny asa izay atao ao an-tokantrano io fomba io.

Herimalala Ratsimbazafy

Laisser un commentaire