Sambava: Mahery vaika ny tranga tsy fandriam-pahalemana any an-toerana
Sahirana amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny mponina ao Sambava. Nahitana tokantrano nodoran’ny olon-dratsy indray tao an-toerana. Tsy nisy kosa ny aina nofy satria tsy teo an-toerana ny fianakaviana tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo olon-dratsy. Samy manana ny fandraisany azy moa ny tsirairay amin’izany zava-miseho izany. Arak any vaovao voaray dia nilaza ireto olon-dratsy ireto fa ny Zandarimaria no naniraka azy ireo handoro io trano
“Tetika efa maty paika izany fa tsy mitombona mihitsy ny fanirahana handoro trano izany. Ny maha olona mihitsy ve no tsinontsinoavina. Mety efa fantatr’ireo olon-dratsy ireo fa tsy tao ireo fianakaviana ka izay no nahasahian’izy ireo niditra handoro ilay trano”, hoy ireo nanatri-maso.
“Tranga tsy dia mitombona loatra raha ny fahitako azy. Olon-dratsy hatramin’ny Gendarme raha izany no misy. Tsy mendrika ny toerana nomena azy ireo raha marina izany. Rah any hevitro dia ny fokonolona mihitsy no efa manana kakay amin’ireo fiankaviana ka mitady fomba hamotehana azy ireo. Miandry ny valin’ny fanadihadiana araka izany hahitana ny marina. Tsy mbola nisy lalàna nanome alalana ny zandary handoro trano izany”, hoy I Mahefa, mpanara-baovao.
Azo lazaina fa fanosoram-potaka ny hasin’ny Zandarimaria izany vaovao izany kanefa ny fanadihadiana hatrany no afaka manamarina ny zava-nisy. Marihina moa fa tsy nisy zavatra niangana ny tao anatin’ity trano nodorana ity fa lasa lavenona avokoa.
Miora Raharisolo
