Anjeva : Tontosa soa aman-tsara ny hetsika fanomezana « titre » faobe ho an’ny mponina
Tontosa soa aman-tsara ny hetsika fanomezana « titre » faobe izany nokarakarain’ny kaominina sy ny sampandraharahan’ny fananan-tany, ny faran’ny herinandro teo. Tonga maro ireo mponina nandritra izany ary tsy nisalasala nametraka fanotaniana nandritra ny varavarana misokatra. Anisan’ny olana sedrain’ny mponina eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny resaka fananan-tany, antony nahatonga ny kaominina nanome fanampiana mahakasika izany.
« Tena nahaliana ny mponina ny varavarana misokatra izay natao tety anivon’ny kaominina. Raisinay ho andraikitra ny fanampiana ny mponina amin’ny fikarakarana ny taratasy momba ny tany mba ho ara-dalàna sy hisoratra aminy ny taratasin-taniny » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Tanjon’ny hetsika ny hanomezana titre faobe ireo olona manajary tanim-panjakana na koa tsy mbola manana taratasin-tany ara-dalàna misoratra aminy. Hitohy amin’ny fandraisana anarana sy ireo antontan-taratasin’ny mpangataka ny hetsika manaraka ary mbola hisy ny fandaharam-potoana hapetraka hidinana eny anivon’ny fokontany hakana ny lisitr’ireo olona vonona hisitraka ny tetik’asa » hoy hatrany ny avy amin’ny kaominina.
Anisan’ny manampy ireo mponina amin’ny fahalalana mahakasika ny taniny sy ny antotan-taratasy isan-karazany ny hetsika tahaka izao, izay mampanano sarotra, indrindra fa any amin’ny tontolo ambanivohitra. Hirariana moa ny hisian’ny hetsika tahaka izao any amin’ireo kaominina hafa mba hanomezana fahalalana, sehatra ho an’ny mponina.
Manitra Ramanantsoa
