Tafika: Nanatanteraka fampitomboana fahaizana avy amin’ny Indianina ny tafika Malagasy.
Dépêche 25 octobre, 14h, Nampiofanin’ny “force spéciales” Indianina ireo tafika ao amin’ny 2 BIMA. Naharitra roa herinandro izany fampiofanana izany izay natao tany Antsiranana. Mariky ny fiaraha-miasa mahomby amin’ny firenena Indianina izao zava-misy izao. Ny tanjona ao anatin’izany moa dia ny hanatevenana sy hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo miaramila Malagasy ireo. Ahafahana manatratra ny vokatra andrasan’ny firenena amin’izy ireo sy ny iraka nampanoavina azy.
