Roumanie : Naato noho ny « dopage » i Simona Halep
Laharana voalohan’ny taranja Tennis teo aloha teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Simona Halep. Efa tompondakan’ny Roland-Garros tamin’ny taona 2018 sy ny Wimbledon taona 2019 ihany koa izy.
Tao anatin’ny volana vitsivitsy nefa dia niha nanalavitra ny ny kianja i Simona Halep. Raha ny tatitra dia voatily niabo tamin’ny Roxadustat ny tenany. Ny Roxadustat moa dia « molécule de synthèse » mampitombo ny famokarana EPO (érythropoiétine). Voarara nefa io fanafody io arakin’ny lalànan’ny AMA (Agence mondiale antidopage) na ao anatiny fifaninana na ivelany.
Manoloana ny tranga dia miaato amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifaninana rehetra mandritra ny fotoana tsy voafaritra i Simona Halep.
