Morondava: Olona 4 namoy ny ainy tamin’ny faharendrehan’ny botry iray
Olona efatra no namoy ny ainy vokatry ny faharendrehan’ny botry iray, tao Morondava, omaly. Vehivavy no telo tamin’ireo namoy ny ainy ary zaza ny iray. Avy any Maintirano io botry io no nianinga, ny sabotsy maraina ary miisa 17 ireo mpandeha taminy. Omaly hariva tamin’ny 5ora kosa vao hita tao amin’ny vavaranon’i Betania ireo razana. Noho ny faharatsian’ny toetr’andro sy ny onjan’ny rano izay nahery no voalaza nahatonga ny loza.
