Dépêches

Jirama : Namoaka ny akon’ny tomban’ezaka izay natrehan’ireo tompon’andraikitra sy tale ao aminy.

Dépêche 15 novembre, 14h, Nandalo ny tomban’ezaka avokoa ireo tompon’andraikitra sy tale ao amin’ity orinasa ity ny herinandro lasa teo. 70% ny olana ao amin’ny orinasa noho izany dia vokatry ny tsy fahafehezan’ny teknisianina ny asany ary ny 30% kosa vokatry ny hasomparana. Olana lehibe ao anatin’ny orinasa ihany koa ny serasera satria misy ireo mahafehy ny asa fa tsy mahay mampita ziany fahaizany izany amin’ireo mpiara miasa sasany. Tsy hisy kosa ny fandroahana mpiasa na izany na tsy izany fa hapetraka amin’ny toerana tokony hisy azy ireo izay tsy nahazo ny salan’isa tokony notratrarina nandritra ny tomban’ezaka.

Laisser un commentaire