ActualitésTatitra

France : Tsy maintsy manao matematika avokoa ny mpianatry ny lisea rehetra amin’ny fidirana 2023

Manomboka ny fidirana amin’ny taona 2023 izao dia tsy maintsy miverina manao matematika avokoa ny mpianatrin’ny kilasy «première » sy famaranana ao France. Raha tsiahivina dia nofoanana tao amin’ny lisitry ny taranja tsy maintsy natao izany nanomboka ny taona 2019 nohon’ny fanavaozana « Blanquer ».

Nanao fanambarana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena tao an-toerana fa tsy maintsy manao matematika adiny iray sy sasany avokoa ireo mpianatra tsy nisafidy manokana ny matematika. Arakin’ny fanadihadiana maro dia nihena ny tahan’ny fahaizan’ny mpianatra matematika tao anatin’ny 40 taona tao France.

Laisser un commentaire