ActualitésTsidika

Tsy fahandriam-pahalemana: Saika nitroatra avokoa ny mponina noho ny afitsoky  ny asan-dahalo

Saika nandrenesana tsy fanhandriam-pahalemana hatrany tato ho ato. Anisan’ny nanampy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fiadiana amin’ny asan-dahalo ny fokonolona. Tamin’izany indrindra dahalo iray saika hanafika tao amin’ny tokan-trano iray tao Sahamihaingo fokontany Ambohimahatsinjo, kaominina Antohobe ao amin’ny distrikan’i Betafo no matin’ny fokonolona, ny faran’ny herinandro lasa teo.

« Efa matetika loatra no saika handrenesana trangana tsy fahandriam-pahalemana. Mampihorohoro ny vahoaka ny jiolahy. Ny fiaraha-mientan’ny fokonolona no anisan’ny mahomby amin’ny fiadina amin’ny asan-jiolahy », hoy Mino, mponina ao Ambohimahatsinjo. Anisan’ny manampy ny mpitandro filaminana ny fametrahana ny « tagnamaron’ny fandriam-pahalemana », raha ny nambaran’ny avy ao amin’ny zandarimaria any an-toerana : « tsy mahavita tena ireo ny zandary raha hiady na hanafongotra ny asan-dahalo indrindra amin’ny kaominina ambanivohitra. Ilaina dia ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny fokonolona mba hanamorana ny fanenjehana ny olon-dratsy ».  Etsy ankilany izany rehetra izany anefa, mbola voararan’ny lalàna eto Madagasikara ny fanaovana fitsaram-bahoaka : « misy lalàna velona eto Madagasikara mifehy sy mipetraka entina handrindrana ny fiaraha-monina. Ilaina foana ny miandry ny manam-pahefana sy ny fitsarana, satria izay no tena antom-pisiany, eo ihany koa ny hoe fanarahan-dalana ».

Mahakasika ity tranga niseho tao Betafo ity moa, efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny zandarimaria ao an-toerana, ary efa andalana amin’ny fikarohana ireo jiolahy hafa izy ireo ankehitriny.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire