ActualitésTsidika

Miha ripaka ny ala honko

Ala honko 5 000 ha isan-taona no simba eto Madagasikara. Raha ny taona 2020 teo fotsiny izao dia 200 ha izany teo amin’ny distrikan’i Ambanja. Antony ny famadihan’ny olona ho saribao sy ny fijinjany azy ampiasaina amin’ny fanamboaran-trano.

Efa nandray fepetra mahakasika io fandripahana ny ala honko io ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny ala honko tao Mahajanga ny faran’ny herinandro lasa teo, izay nibanjinana ny lohahevitra hoe « Manarina ala honko manatsara velon-tena, ary mitsinjo ny taranaka ». « Ny famerenana ny simba no laharam-pahamehana » hoy izy.

Ny avy ao ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra ihany koa dia hanatanteraka fambolena ala honko 7 500 ha isan-taona. « Efa ampidirina ihany koa ny politika RSE, ary efa miroso amin’ny fanofanana ireo tanora amin’ny fiarovana izany isika » hoy izy ireo.

Toerana itomboana sy iveloman’ireo karazan-trondro, ny makamba ary ny drakaka ny ala honko. Ao aminy ihany koa ireo trondro mbola kely no miafina. Mamokatra trondro iray taonina isan-taona ny ala honko iray hekitara dia, ka fivelomana ho an’olona maromaro izany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire