ActualitésTsidika

Panel Cacao : Handray anjara amin’ny fantanterahana izany i Madagasikara

Hetsika iray hanaovana latabatra boribory hifampidinaha sy handraisana ireo hevitry ny olona rehetra mahakasika ny lohahveitra na resaka iray ny panel ad hoc. Hampitombo ny vokatra azo amin’ny varotra na isan’ny mpividy no tanjona amin’izany.  

Mpisehatra maro maneran-tany no antsoina hanatanteraka ity panel ad hoc ity ka ry zareo avy any Pérou irery ihany no mpifaninana hikarakara izany amin’ny Malagasy. Raha oharina amin’ny habetsaky ny vokatry ny firenena sasany ny eto Madagasikara dia kely, saingy manana tombony kosa amin’ny kalitao. Voasokajy ho cacao tsara indrindra ny cacao avy eto Madagasikara ny taona 2015, avy amin’ny International Cocoa Organization (ICCO). Noho izany indrindra no tsy hatahoran’ny Malagasy amin’ity fifaninana ity.

Atao any Abidjan ny andiany faha 106 amin’ny fihaonamben’ireo mpisehatra amin’ny cacao manerantany ary ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana Edgard Razafindravahy no mitantsoroka ireo solontena any antoerana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire