Barea : Nandrombaka ny fandresena tamin’ny isa mavesatra hatrany
Dépêche 28 septembre, 11h, Na ireo niady ho amin’ny lalao CAN U23 na ireo miady ho amin’ny lalao ho atao any Qatar dia samy naneho voninahitra ny Malagasy avokoa ary tsy nitsanga-menatra nanoloana ireo firenena rehetra izy ireo. Ny lalaon’ny Madagasikara nifanandrinana tamin’dry zareo avy any Seychelles dia nibatana ny isa 7 sy 1 ary ny lalao tany Qatar kosa ho an’ireo Barea zokiny dia 3 sy 1 ihany koa ny valin’ny lalao. Mahafaly sy rehareha hatrany ny mahita ny zavatra toy izao.
