Dépêches

Tsiroanomandidy – Fanafihana  kamiao telo

Kamio telo no nisy nanafika tany Maharavonandriana ny asabotsy lasa teo tamin’ny 06 ora sy sasany maraina teo ary vola 17 tapitrisa ariary no voaroba tamin’izany.

Nikasa hividy vokatra (vary any Ambohitromby )any Bongolava ireo kamiao ireo no izao notafihan’ny dahalo 5 lahy nirongo fitaovam-piadiana (basy) izao. Rehefa nandalo fiolanana somary miakatra izy ireo dia basy avy hatrany no narangarangan’ireo olon-dratsy ary fitsofana kririoka sy tifi-danitra no nataon’izy ireo. Vola saika hividianana moa no very nandritra izany. Mpamily iray ihany koa no novonoin’ireo olon-dratsy ary efa manaraka fitsaboana izy amin’izao.

Laisser un commentaire