Dépêches

Baolina lavalava : Lany ho mpitantana ny Federasiona indray i Marcel Rakotomalala

Dépêche 09 novembre, 17h, Notanterahina tany Toliara ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Rugby ny talata 08 novambra teo. Lany tamin’ny alalan’ny salan’isa 100% tamin’ireo tonga nifidy. Mbola i Marcel Rakotomalala hatrany indray izany no hitondra ity federasiona ity toy ny fotoam-pitondrana indroa miantaona teo aloha. Tsy tonga nihatrika izany fifidianana izany ny filohan’ny ligim-paritra miisa 4 : Menabe, Vakinankaratra, Atsinanana ary Betsiboka. Andrasana ny fankatoavan’ny Ministeran’ny Tanora ity valim-pifidianana ity.  

Laisser un commentaire