ActualitésTsidika

Fivoarana : Aiza ho aiza no misy ahy afaka dimy taona ?

Manontany tena ny olona matetika hoe « mety ho tahaka ny ahoana ny fiainako amin’ny dimy taona ho avy ? ». Ny tokony ho valin’izay dia mampamiratra ny sain’ilay olona hoe « izao izany no tanjoko ka izao daholo ny lalana tokony arahiko ». Hanampy ny tsirairay hamaly io fanontaniana io ny fampiofanana karakarain’ny K4M amin’ny alatsinainy 14 novambra, ao amin’ny Plaza Ampefiloha.

Fikambanana olona maromaro mampihatra ny « psychologie » amin’ny fiainana andavan’andro ny K4M. Hisy ny toro lalana ho ataon’izy ireo ho an’ireo olona izay mbola misalasala amin’ny lalana tokony ho diaviny sy tokony ho arahiny, ahatongavany amin’ny tanjony izay napetrany. Ireo tanora mbola misalasala amin’ny zavatra tiany hatao no entanina sy antsoina ho tonga amin’ity hetsika ity, satria fotoana iray ahafahany mamantatra ny zavatra tiany sy hainy, ary mety ahazoany tombony eo amin’ny fiainana sy ny ho aviny, io fotoana io.

« Mety ho anisan’ny efa nametraka izany fanontaniana izany tamin’ny tenanao ihany koa ianao fa tsy mbola mazava taminao ny lalana. Manome valiny mahafa-po anao ny K4M. Tsy mifidy taona ity fampiofanana sy torolalana ity. Tsy mifidy asa ihany koa », hoy i Ny Raitra, tompon’andraikitra ao amin’ny K4M.

« Ilaina mihitsy ny fotoana toy izao indrindra ho anay vao afaka bacc teo satria maro ny tanora toa anay rehefa eny amin’ny anjery manontolo dia miova sampam-pianarana foana satria tsy liana intsony sady tsy mazoto dia tonga amin’ilay hoe “diso filière” rehefa avy eo. Iny fotoana iny anefa dia anisan’ny mandany fotoana sy hery sady manimba ny planina amin’ny fiainana. Ilaina hatrany aloha ny miomana », hoy i Sandra, mpianatra.

Tsara hatrany ny manana torolalana mba tsy hampivoana ny zavatra atao. Raha anisan’ny nametraka io fanontaniana io ihany koa ianao, dia ao amin’ny Plaza no ahazoanao ny valiny sy ahazoanao fanazavana ny momba ny lalan-tsara ahatrarana ny tanjona napetrakao.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire