Inde : Mikasa hanaova ny feon’ny « klaxon » ho hira hindi ny ministry ny fitaterana
Manam-pikasana hamolavola lalàna hanovana ny feon’ny anjomara ho hira hindi ny ministry ny fitaterana ao an-toerana Nitin Gadkari.Olana be ao Inde ny anjomara raha ny fanazavana, tena mati-potsitra ary makaren-tsofina mihitsy izany hoy izy. Nitady vahaolana manoloana izany ireo tompon’andraikitra ka nanapa-kevitra ny hampitombo ny halavan’ny fe-potoan’ny « feux rouges » na ny fotoam-piatoana raha toa ka mihoatra ny 85 « decibels » ny feon’ny anjomara. « Tsara raha ovaina hira mahafinaritra sy tonitony izany » hoy i Nitin Gadkari. Mikasa hanaova ny feo fanairana amin’ny « ambulance » ihany koa izy, ohatra hoy izy ireo hira mandeha amin’ny maraina amin’ny onjam-peo « All India » ireny.
