France : Lehilahy iray nitsatoka antsy ny rainy, ary nikasa namono tena
Nisehoana tranga nampihoron-koditra ny kaominin’i Ozoir-la-Ferrière, Seine-et-Marne ny sabotsy teo. Lehilahy iray 34 taona no nitsatoka antsy ny rainy 66 taona in-12 ny marain’io 5 novambra io. Voa teo amin’ny lohany, tratrany ary ny tendany io lehilahy lehibe io.
Taorian’ny tranga kosa dia tsy nitsaoka ilay lehilahy, nakao tao amin’ny hefitranony izy ary nitsambikina teo ambaravaran-kely. Marihana fa any amin’ny rihana faha-3 ny fonenan’izy mianaka ireo. Manoloana izany dia naratra mafy ilay lehilahy ary nentina tao any amin’ny hopitaly izy mianaka.
Hopitaly samihafa no nitondrana azy ireo, ny iray atao toeram-pitsaboan’i Clamart ao Hauts-de-Seine ary ny iray kosa tao amin’ny vonjy taitra ao amin’ny vondrona hopitaly Île-de-France ao Melun. Raha ny fantatra dia ady nohon’ny resaka ara-bola no niandohan’io loza io.
