ActualitésTatitra

Indonésie : Biby mahery setra ny « casoar à casque »

Voafaritra ho vorona mahery setra indrindra ny « casoar à casque » na Casuarius casuariu. Karazam-borona miazakazaka izy io, ao amin’ny fianakavian’ny Casuariidae. Avy amin’ny teny indonesianina hoe « casuari » kosa ny anarany ary any amin’ny ala tropikaly izy no tena monina. Ao amin’ny nosy Aru sy Seram ao Indonésie, ao Nouvelle-Guinée ary ao avaratra atsinanan’i Australie no tena ahitana azy.

Misy sanga goavana ny « casoar ». Mirefy 1,19 m hatramin’ny 1,80 m eo io vorona io ary milanja hatrany amin’ny 75 kg any. Biby tia mitokatokana kosa ny « Casoar à casque »ary rehefa « saison des amours » (volana jona haramin’ny oktobra) ihany izy vao miaina tsiroaroa. Anisan’ny mampiavaka ny « casoar à casque » ny atodiny maitsomaitso izay tsy fahita firy.

Laisser un commentaire