ActualitésTatitra

Etats-Unis : Voalavo maromaro tao anaty « égout » no nahitana « variant » vaovao

Variant vaovao amin’ny covid-19 no hita tamin’ny voalavo tao amin’ny fivoahan-drano maloto na « égout » tao New York raha ny tatitra nataon’ireo oniversite maromaro tao Etats-Unis nanao fikarohana momba izany ny 3 febroary teo. Nanazava izy ireo fa tamin’ny fisotroana sy fihinana maloto no mety nahazoan’ireo voalavo ireo ny tsimok’aretina.Tsy hita tao amin’ny angon-draikitr’ireo siantifika io tsimok’aretina io ary nahitana « lignées cryptiques » vaovao. Fantatra fa ny fifindran’ny tsimok’aretina amin’ny zavamanan’aina dia mampiova ny « gène » ao aminy. Mbola tsy voaporofon’izy ireo nefa raha miparitaka any amin’ny voalavo ny Coronavirus.

Laisser un commentaire