Sakafo maro mpihinana amin’ny firenena arabo ny « moussaka »
Sakafo mampiavaka an’i Balkan sy Moyent-Orient ny « moussaka », saingy nitondra fanavaozana azy i Grèce sy i Turquie izay lasa tena tena ahafantarana azy. Midika hoe « musaqqa’a » amin’ny tena arabo na « frais » amin’ny teny frantsay ny « moussaka ».Baranjely natono, tongolo ary voatabia no akora fototr’ity sakafo ity. Hanampiana totokenan’ondry kosa izy ny amin’ny fahandroan’i Grèce azy. Ampifanosehana ny hena, ny baranjely, ary ny voatabia, rarahana « sauce blanche » izy ary alefa ao anaty lafaoro. Ho an’i Turquie kosa tsy voatery ampifanosehana izy ary azo endasina ihany koa, hoanin’izy ireo miaraka amin’ny « cacık » na « riz pilaf » izany.
