Maurice : Enina no maty, 22 naratra mafy vokatry ny fahamaizan’ny Kanwar nitondra ireo mpanao fiatahana masina
Nisaona ny firenena Maorisianina omaly alatsinainy vokatry ny tranga niseho tao Arsenal, ny alahady teo. Tao anatin’ny fanombohana ny fietahana masina sy fanomanana ny fankalazana ny fety Mahashivaratri no niseho ny loza tao an-toerana. Raha ny tatitra farany navoakan’ny ministeran’ny fahasalamana any an-toerana, tao arsenal no nisehoan’ny loza, miisa 22 ireo naratra ary enina no namoy ny ainy. 15 tamin’ireo naratra no mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly avaratr’i Pamplemousses raha toa ka efa namonjy fodiana ireo 27 hafa. Raha mahakasika ny zava-nitranga, Kanwar vita tanana iray ary nitondra ireo tanora hamonjy ny renirano masina tao Grand-bassin no nifampikasoka tamin’ny tariby mitondra herinaratra tao Arsenal. Nitondra tanora 40 mahery teo ity kanwar ity ary ravan’ny afo tanteraka tao anatin’izany.
