ActualitésTatitra

Seychelles : Miha mahazo vahana ny fiara mandeha amin’ny alalan’ny herinaratra

Mitomba an’isa ny fiara mandeha alalan’ny herinaratra mifamezivezy eny amin’ny lalàna ao Seychelles. Mahatratra 365 isa izany araky ny tarehimarika nomen’ny sampan-draharaha ny « immatriculation » tao an-toerana. Heverina fa kely izany isa ihany hoy tompon’andraikitra saingy efa 10% ny fiarakodia ao an-toerana izany raha ny fanazavany.

Nanamafy ny tenany fa toerana mety amin’ny fampiasana ny fiara mandeha alalan’ny herinaratra i Seychelles noho ny « autonomie » tsy olana ao aminy. Ny olana mbola mipetraka kosa hoy izy dia ny fanamboara ny 95% ny fiara amin’ny alalan’ny « fuel ».

Ny marika Coréen Hyundai kosa no tompon-dakan’ny varotra fiara mandeha alalan’ny herinaratra ao an-toerana amin’ny alalan’ilay fiara « Kona électrique ».

Laisser un commentaire