Renirano Sisaony: Foana ny filazana loza miloko mavo
Dépêche 23 mars, 11h, Foana ny filazana loza miloko mavo na ny filazana loza manambana ho an’ireo faritry ny lemak’Antananarivo rehetra izay lalovan’ny renirano Sisaony. Efa nihena ny rano raha 2.50 m no filazana loza manambana eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika. Efa 2.46m izany amin’izao fotoana izao arak any fanambarana avy amin’ny APIPA hatrany. Mila mitandrina hatrany anefa ireo faritra tafiditra amin’izany amin’ny fampiasana ny rano.
