Dépêches

Manakara : Maro ireo toerana nohavaozina sy notokanana

Dépêche 29 novembre, 13h30, Maro ireo foto-drafitr’asa notokanana tao Manakara, izay renivohitry ny faritra Fitovinany nandritra ny fandalovan’ny Filoham-pirenena tany an-toerana. Misy amin’ireny no natao hiarovana ny mponina, ary misy ny natao hanatsarana ny tanàna. Anisany tamin’izany ny fitokanana ny “brise lame” izay natao hiarovana ny sisin-dranomasina mba tsy hampiakatra ny rano rehefa fotoan’ny fahavaratra. Teo ihany koa ny fitokanana ny zaridainan’ny fitiavana sy ny lalana manamorona ny sisin-dranomasina izay natao mba hanomezana endrika ny tanàna.

Laisser un commentaire