Masindray : Misy minia manary fako amin’ireo toerana amoron-dalana amin’ny alina
Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo mponina ao amin’ny kaominina Masindray, tato ho ato, noho ny fahitana ireo fako miparitaka manamorona ny lalan-tany izay mampitohy ny kaominina Masindray sy ny kaominina Ankadinandriana. Raha ny voalaza, efa amam-bolana vitsy izao no misy manary fako amin’ny taonina ao an-toerana izay sady manimba no miteraka fahavoazana ho an’ireo mpivezivezy.
« Anisan’ny manimba sy manaratsy ny tontolo ambanivohitra ny fihetsika tahaka izao. Tokony hijeren’izy ireo toeran-kafa ny fanariana izao fako izao fa tsy atao aty amin’ny tontolo ambanivohitra milamina sy madio rivotra tahaka izao » hoy i Mamy, mponina ao Masindray.
« Fifampitaizana tsotra, anatin’ny fanentanana ny rehetra ny fanajana ny fahadiovana. Ireo tomponandraikitra ihany koa dia tokony hanara-maso sy handray fepetra manoloana ny zava-misy toa izao fa manimba ny tontolo ny fiparitahan’ny fako amin’ny toerana tahaka izao » hoy i Minotiana, mpanentana amin’ny fahadiovana.
Ny tanàna madio mahate-honina no antoky ny fahasalamana. Anisan’ny singa manimba sy ny manaratsy ny tontolo ny fako. Tokony samy sarotiny sy hiara-hientana amin’ny fanajana izany ny rehetra manoloana ny zava-misy tahaka izao, ary tokony hametraka ny fepetra entina manafay ireo tsy mpanaja ny tontolo iainana.
Manitra Ramanantsoa
