Lany Miss Analamanga i Princia Rakoto
I Rakotoarijaona Tahiry Aina Princia na fantatry ny maro amin’ny hoe Princia Rakoto no nandrombaka ny « Miss Analamanga » tamin’ity taona 2021 ity. Mbola tanora tokoa ny tovovavy ary nahafeno tanteraka ny fepetra ka izao lany izao.
« Manohana hatrany azy izahay amin’ireo fifaninana ataony satria hitanay fa vitany matoa ataony, mankahery azy hatrany na dia mbola tanora aza izy » hoy ny fianakaviany. « Betsaka ireo mpandray anjara fa izy no tena mendrika, isaorana azy ny ezaka rehetra nataony » hoy kosa ireo mpikarakara. « Tsy tapitra hatreto akory ny lalako fa ny “Miss et Mister de Madagascar sy Internationale” no tanjona ka eto aho vao tena mila ny fanohanana avy aminareo » hoy i Pricia Rakoto.
Hitondra avo ny firenena tokoa izany, isika rahateo manana tanora lahy sy vavy afaka hampitahana ny tanora hafa avy any ivelany ka tsy hahatsanga-menatra antsika izany. Ny fanohanana eo amintsika samy iray fihaviana sy tanindrazana no ten zava-dehibe satria tsy tombontsoa ho an’olon-tokana izao fa fa ho an’i Madagasikara mihitsy.
Rehefa tsy nandray anjara ihany dia mila manohana ireo nandray anjara na amin’ny sehatra inona izany na amin’ny sehatra inona.
Nicole Rafalimananjara
