Fanadiovana : Mitohy ny asa tagnamaro
Mitohy ny asa tagnamaro, izay ataon’ny mpiasa tsy ankanavaka ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Izany dia ho fanomanana sahady ny toerana mendrika handraisana ny olona manan-draharaha ao amin’ny kaominina.
« Iray vatsy, iray aina tokoa, hany ka niara-nientana sy naneho firaisan-kina hatrany ny rehetra. Natao ampitiavana sy am-pifaliana ny asa notanterahina teto. Mankasitraka sy misaotra ny rehetra izay nandray anjara » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Sady fanajana ny asa no fanajana ny hafa ny asa fanadiovana toy izao. Ny fahadiovan’ny toerana sy ny fitondran-tena mendrika eo am-panatanterahana ny asa no tena ilaina amin’ny asa ho an’ny vahoaka toy izao » hoy i Ranto, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Miara-miezaka ho amin’ny fampandrosoana ao anaty fahasamihafàna tokoa, araka ny teny filamatry ny Kaominina.
Hasina Rasamimanana
