Ankadiaivo Alasora : Nahazo fanasan-damba vaovao
Notontosaina ny 14 aprily ny fanolorana ny toerana fanasan-damba ho an’ny daholobe ao amin’ny kaominina Alasora. Ny Société Pharmaceutique de Madagascar (Sopharmad) no nanolotra izany ho an’ny Fokontany Ankadiaivo.
« Hitohy eny amin’ny fokontany Amboaroy ny fiaraha-miasa. Tanjona ny mba hisian’ny fahadiovana sy ny fanadiovana hanjakan’ny fahasalamana ho an’ny rehetra » hoy ny avy ao amin’ny Sopharmad. « Tena ilainay mponina eto amin’ny fokontany mihitsy ny toy izao. Somary mampijaly mantsy ny tsy fahampian’ny fotodrafitr’asa ho an’ny fidiovana sy ny fahadiovana eto. Voavaha ny olana ankehitriny » hoy i Sariaka, mponina ao Ankadiaivo.
Ilaina tokoa eo amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-maisa hizorana amin’ny fandrosoana tahaka izao. Mamaly ny fitarainan’ny mponina eny ifotony ny tetik’asa toy ity.
