ActualitésTatitra

La Réunion : Ampirantiana ao amin’ny Sudel Fuma ny asan’ny mpanao hosodoko Ilfrid Dorval

Mpanao zava-kanto tia ny fanaovana sary sy ny zava-kanto rehetra amin’ny ankapobeny hatramin’ny fahakeliny i Ilfrid Dorval. Rehefa niasa nanao « maquettiste infographiste » nandritra ny fotoana maro izy tapa-kevitra ny hamoaka ny heviny sy ny fahatsapany amin’ny lalan’ny hosodoko. Mampiasa fitaovana maro samihafa izy hamoahany ny fihetsam-pony ary manana fomba fiasa hafa tsy mitovy amin’ireo mpanao hosodoko hafa raha ny fanazavana.

Ampirantiana ny 11 hatramin’ny 29 aprily izao ao amin’ny Espace Culturel Sudel Fuma, St-Paul ny asa tanan’io mpanao hosodoko io. Nampitondraina ny anarana hoe « M-X6 » izany fampirantiana izany ho fanomezany voninahitra olona iray nanampy azy tamin’ny asany raha ny fanazavany.

Laisser un commentaire