Nouvelle-Zélande : Lalan-tongomalady hafakely ny Nelson Street Cycleway
Ny « Nelson Street Cycleway » dia lalam-bisikileta ao Auckland, Nouvelle-Zélande. Ny sampana tena malaza amin’io lalana io dia ny « Te Ara I Whiti » nadika ary antsoina hoe « Lightpath » matetika. Mitohy amin’ny lalàn’ny Nelson ny lalana ary mihazo ny afovoan’ny renivohitra.
Anisany mampiavaka io lalana io ny lokony izay mavokely marevaka sy ny rafi-panazavany LED miovaova loko matetika. Ny 3 desambra 2015 no nanomboka dingana voalohany tamin’ny fanokafana io tetikasa io. Ny volana desambra 2017 kosa no notontosaina ny andiany faharoan’izany.
Mbola tsy feno kosa ny ampahan’ny lalana mankany amoron-dranomasina nanomboka ny taona 2019. Rehefa vita izany dia hampitohy ny Upper Queen Street sy Auckland.
