Ankadikely Ilafy : Tontosa ny lalao famaranana ny « tournoi de pâques »
Notontosaina ny alahady teo ny lalao famaranana ny « tournoi de pâques » tao amin’ny kianja Fifankatiavana, kaominina Ankadikely Ilafay. Fifaninana andiany fahafito izy ity, raha ny voalaza, ary nandray anjara tamin’izany avokoa ireo sokajina mpilalao baolina kitra manerana ny faritra eto Madagasikara.
« Miisa fito ny sokajina mpandray anjara tamin’ ity andiany ity. Tao anatin’izany, ny sokajy 8 taona no zandriny indrindra tamin’ireo ekipa mpandray anjara raha toa kosa ka ny sokajy 18 taona no zokiny indrindra. Nisy ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo sokajy vehivavy tao anatin’izany » hoy ireo mpikarakara.
« Mahafinaritra ny fifaninanana tahaka izao. Isaorana ny mpikarakara sy ny mpandray anjara rehetra satria anisan’ny nampiakatra ny lazan’ny taranja baolina kitra izany, indrindra ho an’ny teto amin’ny kaominina » hoy i Tiavina, mpilalao baolina.
Tsiahivina fa fifaninana hiraisan’ireo faritra manerana ny nosy ity « tournoi de pâques » ity, izay noraisan’ny 3FA Ankadikely Ilafy no fikarakarana izany, tamin’ity taona ity.
Manitra R.
