Burkina Faso : Haharitra 3 taona ny tetezamita
Haharitra telo taona ny tetezamita ao Burkina Faso raha ny tapaka ny talata teo. Hijanona 3 taona eo amin’ny fitondrana ny mpitarika ny fanonganam-panjakana ny 24 janoary teo alohan’ny hamerenana ny lamina araka ny lalàmpanorenana indray raha ny voalazan’ny « assises » nasionaly nampikambana ny « forces vives » ny firenena.Efa natao sonia niaraka tamin’ny lehiben’ny « junte » sy ny Lieutenant-Colonel Paul-Henri Sandaogo Damiba kosa ny satan’ny tetezamita (charte de la transition).
