Ankadikely Ilafy: Vita ny fanavaozana ny loko ho an’ny fokontany Ambohibe
Ao anatin’ny ezaka fanatsarana ireo birao manerana ny kaominina Ankadikely Ilafy, vita soa amantsara ny fanaovazana ny loko ho an’ny fokontany Ambohibe. Tahaka ireo fokontany nasiam-panavaozana rehetra tao an-toerana, tsy diso anjara tamin’izany ihany koa ity birao iray ity.
“Hezahina hatrany ny fanavaozana ny loko sy ny fanatsarana ireo biraon’ny fokontany isan’isany mba ho toerana mendrika ho fanajana ireo olona manan-draharaha eny. Fiara-mientana eto amin’ny fokontany sy ny kaominina moa no nahafahana manatanteraka ny asa rehetra” hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
“Tsy ny loko na ny birao ihany no tokony havaozina sy asiana fanatsarana amin’ny ezaka tahaka izao, fa na ny tolotra sy ny fomba fiasa eny anivon’ny birao ihany koa aza, mba ho taratry ny fanavaozana sy mba tena fampandrosoana tokoa” hoy I Christine, mpandraharaha eny amin’ny fokontany.
Miainga eny ifotony ny asa fampandrosoana. Tokony atao laharam-pahamehana hatrany ny fikarakarana ny eny anivon’ny fokontany. Miainga eny avokoa ny fahafantarana ireo zava-misy mahakasika ny fiainam-bahoaka isan-tsokajiny.
Manitra Ramanantsoa
