Jirama: Nanaovana tombana ireo mpiandraikitra ambony ao amin’ny orinasa
Dépêche 11 novembre, 12h, Niatrika tombana ireo tompon’andraikitra ambony tao amin’ny orinasa Jirama. Teo anivon’ny filankevim-pitantanana sy ny minisitra no nanatanterahana izany. Tanjona amin’izany ny hanombanana ara-pahaizana mba hahafahana miantoka ny fanamby napetraka dia ny fanarenana ny orinasa izany. Aorian’izany tombana izany dia mety hisy ny fanatsaharana amin’ny asa ireo izay tsy mahafa-po ary misy ihany kosa ireo izay hanohy raha misy ny hanaovana fanadihadiana manokana. Ilaina nyn tombana matetika toy izao mba hanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ny olom-pirenena saingy ny vahaolana maharitra amin’ny fahatapahan-jiro no tokony himasoana betsaka amin’izao fotoana izao.
