ActualitésTatitra

Seychelles : Hiaro ny ala honko sy ahi-dranomasina 100% i Seychelles amin’ny taona 2023

An-jatony ireo tompon’andraiki-panjakana nivory tao Charm el-Cheikh, Égypte nandritra ny COP27. Nilaza ny filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan nandritra izany fa te-hanolotra planeta tsara kokoa ho an’ny tanora ka handray anjara amin’ny famerana ny fahapotehan’ny tany.

Nanamafy io filoha io fa afaka mampiena ny fandotoana haterakin’ny entona karbaona ny ala honko sy ahi-dranomasina. Manoloana izany dia hiroso amin’ny fiarovana 100% izany izy ireo amin’ny taona 2023. Marihana fa isan’ireo firenena manan-karena tontolo iainana an-dranomasina isan-karazany i Seychelles. Mahasahana 99% ny fiparitahan’ny karbaona ny ahi-dranomasiny sy ny ala honkony. Ny 80% amin’ireo zava-maniry an-dranomasina ireo kosa dia hita ao amin’ny « atoll » Aldabra avokoa.

Laisser un commentaire