Australie : Raim-pianakavana iray no may tao an-tranony niaraka tamin’ireo zanany dimy
Trano iray no nirehitra tao amin’ny nosy Russell ao Australie ny marain’ny alahady teo. Trano iray no niavian’ny afo saingy nahery vaika ny afo izany ka nihitatra tamin’ny trano roa hafa raha ny fanazavan’ny polisy tao Queensland.
Olona 6 kosa no maty tao anatin’io loza io izay fianakaviana iray dia raim-pianakaviana sy ny zanany lahy 5. Raha ny tatitra dia 8 izy ireo no tao anatin’ny trano niaingan’ny afo, ilay renim-pianakaviana 28 taona sy vehivavy iray hafa 21 taona. Ireto farany no tafavoaka ny trano raha may tao kosa ilay raim-pianakaviana 34 taona sy ireto zaza3 hatramin’ny 11 taona.
Manodidina ny 30 ireo mpamono afo nifandrimbona tamin’ny famonoana ny afo. Olona 9 hafa kosa no naratra raha ny voalazan’ny mpitantana ny polisy Queensland, Mat Kelly. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny niadohan’ny firehetana.
