ActualitésTsidika

Nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny Minisitra Mamod’Ali Hawel ny masoivohon’i Iran

Tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, Atoa Ali Bakhshi Hassan, masoivohon’i Iran eto Madagasikara, ny talata 21 septambra lasa teo. Tonga tao amin’ny biraony teo Ambohijatovo noho izany i Ali Bakhshi Hassan, hanao fandinihana momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Hanomana ny fifanarahana eo amin’ny lafiny fiaraha-miasa moa no tena anton’izao fitsidihana izao hoy izy ireo.

Hiara-hiasa eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena i Iran sy i Madagasikara. Tena mazoto manao fitsidihana ireto masoivoho iraniana ireto ka manao fifanarahana ara-piaraha-miasa foana matetika. Raha tsiahivina mantsy, ny 31 aogositra 2021 lasa teo no nanao fitsidihana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy ny Minisitry ny Fitsarana izy ireo. Nangataka fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny Fitsarana eo amin’ny firenena roa tonta mandrakariva no antondian’izy ireo rehefa manao fitsidihana tahak’izao.  

« Mety tena handroso koa i Madagasikara raha misy fiaraha-miasa amin’ny masoivoho matetika toy izao » hoy i Princy, mpianatry ny Oniversite. « Tsy mety ny fitsidihana matetika toy izao satria mety ho fitadiavana tetika hanimbana ny fanjakana malagasy miseho amin’ny endrika fiaraha-miasa » hoy kosa i Bertrand, raim-pianakaviana. Nilaza kosa anefa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena teto fa « manga ny lanitra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena ». Ao anatin’ny fiaraha-miasa toy izao, nilaza i Christian Baudelot sy Michel Gollac, mpandalina ny raharaha arak’asa, fa « ny asa no marika ahafantarana ny fizotry ny zava-mitranga rehetra eny amin’ny fiarahamonina ».

Mahafinaritra ary tena mampandroso tokoa ny fifaneraserana eo amin’ireo masoivoho vahiny. Kanefa mila mailo hatrany ny fanjakana manolona ny zavatra mety hiseho. Arak’izany, tokony ho asiana fanaraha-maso akaiky ve ny fiaraha-miasa amin’ireo masoivoho vahiny ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire