SocialTsidika

Ambatomainty : zazakely hita faty tao anaty daba fanariana fako

Fatin-jazakely natao tanaty harona no nisy nanary tao anaty daba-pako iray tao Ambatomainty. Lehilahy iray tsy dia salama saina no hitnan’ny mponina teny an-toerana nanipy ilay faty tao anaty daba fanariana fako. Efa hary nofo sy taova tsara ity zazakely nisy nanary ity.

Voararan’ny lalàna, ary mampigadra, ny fanalan-jaza saingy nisy hatrany ny tranga mahakasika izany. Enjehin’ny lalàna ireo dokotera namampy ireo tanora hanatanteraka izany asa ratsy izany. Maro ireo tovovavy miroso amin’ny fanalan-jaza taorian’ny fihetsika feno habibiana nahazo azy ireo toy ny fanolanana, manodidina ny 75 000 isan-taona eo ho eo ny izany raha ny eto Madagasikara manokana. « Tsy fantatra hoe efa nariana teo ivelany ka natsipin’ilay marary saina nariany tao amin’ny zoridira na hoe nisy naniraka izy hanary azy. Fa ny hany fantatra amin’izao dia olona tsy lavitry ny fokontany ihany no nahavanona izao loza iza » hoy i Fara, mponina nanatri-maso ny loza.

« Mampahonena ny maheno ireo fatin-jaza misy manary etsy sy eroa, raha atao hoe vohoka tsy niriana, mino aho fa efa mahafantatra ny fomba hialana amin’izany avokoa ny tanora rehetra » hoy i Sahaza, renim-pianakaviana. « Tsy hipetrapetraka fotsiny amin’izao izahay fa hanao ny fikarohana ny olona izay nahavanona izao habibiana izao, Ho atao famontorana avokoa ireo vehivavy izay nitondra vohoka teto amin’ny fokontany Ambatomainty » hoy i Nary, sefo-fokotany.

« Tsy tsapan’ireo tovovavy ankehitriny ny mety ho fiatraikan’izany fanalan-jaza izany any aoriana any. Mety ho simba vokatr’izany ny tranon-jaza ka iafara amin’ny tsy fahazoana taranaka intsony izany. Izany eo ihany, fa mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana ny fanalan-jaza, indrindra raha hoe efa niforona avokoa ny singa maha-olona an’ilay zaza ao ambohoka » hoy i Dr Fidy. Maro ireo mpanentana ara-pahasalama midina ifotony mampahafantatra sy mampiantra ireo mponina mahakasika sy fananahana ara-pahasalamana. Etsy andaniny, efa maro ireo akany mpitaiza zaza sahirana efa miorina eto amintsika, izay vonona hanampy ireo sahirana sy ireo kamboty. Tsy tokony atao antony hanariana ny taranaka ny fahasahiranan izay zavatra mandala fotsiny ihany.  Tokony handinika lalina izay fanapahan-kevittra tokony ho raisina hialana tanteraka amin’ny fanalan-jaza, mila maneho fa mahay mandanjalanja am-panajana.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire