ActualitésTsidika

Hanao vaksiny sa tsia ?

Betsaka ny hetsika sy ady natao manoloana ny valanaretina covid-19 izay misy eto amin’ny Nosintsika nanomboka ny taona 2019. Nitady hevitra sy fiaraha-miasa maro tamin’ireo masoivoho vahiny i Madagasikara ka noraisin’ny Firenena mikambana an-tànana. Vokatr’izany, nahazo fanampiana maro tamin’ireo masoivoho vahiny isika Malagasy ka izao efa roso tamin’ny fanaovam-baksiny izao.

Raha tsiahivina, mbola tsy nisy fanafody na vaksiny fanefitry ny covid-19 ny taona 2019 sy 2020. Nanomboka ny 11 may 2021 lasa teo i Madagasikara vao naharay ny vaksiny voalohany hiadina amin’ny valanaretina covid-19. Fatram-baksiny miisa 250 000 (Covishield/AstraZeneca) noho izany no voarain’ny firenena malagasy voalohany hanoherana ny valanaretina. Marihina fa natao ho fanampiana antsika Malagasy izany ary ho mariky ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitondra. Marihina fa 20% amin’ny mponina eto Madagasikara no sahaza ireo fatram-baksiny voalohany tonga teto amintsika ireo. Ankehitriny, mbola mitohy hatrany izany fanaovam-baksiny izany hisorohana mandrakariva ny valanaretina covid-19 izay efa nahafaty olona maro. Etsy andaniny, mbola mitohy ihany koa ny fandraisana ireo vaksiny vaovao nafarana avy any ivelany.

« Tsy misy hafa tsy ny vaksiny ihany no afaka miaro ny tenantsika amin’ity valanaretina covid-19 ity » hoy i Ranto, mpianatra eny amin’ny anjery manontolo, efa nahavita vaksiny. « Nisafidy ny tsy hanao vaksiny anti-covid mihitsy aho satria tsy azoko antoka ilay izy ary betsaka voka-dratsy haterany efa reko » hoy kosa i Lucie, renim-pianakaviana.

Azo lazaina ho mbola marefo ny ankabeazan’ny Malagasy eo am-piatrehana ny valanaretina covid-19 ary antony mbola hanafaran’ny fanjakana fatram-baksiny vaovao foana izany. Ho marik’izany ny nanambaran’ny Minisitry ny Fahasalamana fa « fatram-baksiny Sinopharm miisa 300 000 no ho tonga eto Madagasikara amin’ity herinandro ity ». Nilaza kosa anefa i Carine Vassy, mpandalina ny fiarahamonina sy ny fahasalamana hoe : « tsy tokony ho heverina ho zava-boajanahary ny aretina fa tokony heverina ho vokatry ny natao, ka mila sorohina sy tsaboina ».

Efa namokatra vaksiny miaro amin’ny covid-19 ihany koa ny laboratoara Pfizer/BioNTech. Marihina fa vaksiny azo atao ho an’ireo zaza enim-bolana hatramin’ny 11 taona izany. Mety hampisalasala ny maro, indrindra ny ray aman-dreny, anefa,  ity vaksiny ho an’ny zaza ity noho izy hatsindrona amin’ireo zanany izay mbola azo lazaina fa kely tokoa.

Ny vaksiny rehetra ampiasaina hatsindrona amin’ny olona tsirairay avy dia efa nandalo andrana avokoa ka tsy tokony hampisalasala ny rehetra intsony. Tokony hanao vaksiny daholo ny rehetra. Raha izay ary, azo hatokisana tanteraka ve ireo karazam-baksiny rehetra hiatrehana ny covid-19 ireo ary hinoana fa tsy hisy voka-dratsy ho an’ny fahasalamana ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire